Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bevilany – RN 7: kamiaobe iray nivadika, maty tsy tra-drano ny mpamily

Bevilany – RN 7: kamiaobe iray nivadika, maty tsy tra-drano ny mpamily

Niparitaka mihitsy ny atidohan’ilay mpamilin’ilay kamiaobe nivadika tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bevilany RN 7, omaly. Raha ny fantatra tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao voaray, kamiaobe nitondra vatobe ity nivadika tampoka ity. vokany, maty tsy tra-drano nianjeran’ny vato nentiny ilay fiarabe ka nifatratra tao amin’ilay mpamily. Nampihoron-koditra ny nahita ny atidohan’ilay mpamily niparitaka. Tsy fantatra mazava ny antony ny nahatonga ny loza fa efa tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary nanao ny fanadihadiana rehetra. Voalaza fa nisy olona niaraka tamin’ilay mpamily, saingy avotra soa aman-tsara ihany na teo aza ny ratra nahazo azy. Ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza no nanala ireo vato nanindry ilay mpamily sy nitondra ireo olona naratra tany amin’ny hopitaly. Ahina ho olana ara-teknika tao amin’ilay fiara no nahatonga ny loza ka niafara tamin’izao famoizana ain’olona izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.