Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tokony hisy tahiry manokana: tsy zakan’ny marary ny fanafodin’ny diabeta

Tokony hisy tahiry manokana: tsy zakan’ny marary ny fanafodin’ny diabeta

Nanao antso ho an’ny tomponandraikitra malagasy sy vahiny ny mpiandraikitra Andia- Malagasy miady amin’ny diabeta (Amadia) fa tokony hisy tahiry manokana hikarakarana ny olona manana toe-batana diabetika eto amintsika, toy ny ady amin’ny VIH/Sida… 70 000 Ar ny vidin’ny fanafody atsindrona insuline indroa isam-bolana ho an’ny olona manana toe-tena diabetika. 1500 Ar ny vidin’ny fitaovam-panindronana manokana izay ilaina ho an’ny ankizy madinika vao amam-bolana nefa manaraka fitsaboana ao amin’ny Amadia. 154 izy ireo no raisina an-tanana, amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny dokotera Ramamonjisoa Haja ao amin’ny Amadia. Mety hitarika amin’ny fahafatesana ny tsy fanaovana ny tsindrona aorian’ny 10 andro. Mahatratra 1 tapitrisa ny zaza tratran’ny diabeta sokajy 1 isan-taona maneran-tany. Mamono olona isaky ny 7 segaondra ny diabeta maneran-tany ary manapaka tongotra iray isaky ny 30 segaondra ny toe-tena diabeta. Olana ny tsy fahampian’ny fitiliana satria ny 50% amin’ny olona manana toe-tena diabetika tsy mahalala ny toe-pahasalamany.

Nanohana hatrany ny Lions club

Nanomboka tamin’ny fijoroan’ny Amadia ny taona 1983, nanohana hatrany ny fikambanana ny Lions club malagasy tamin‘ny fanafody sy ny fitaovana samihafa. Ny asabotsy lasa teo teny amin’ny HJRA, nikarakara hetsika fitiliana maimaimpoana ny olona hijery ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatany ny club 20 avy amin’ny zone efatra : 13, 31, 32 sy 33. Tonga maro ny vahoaka ary nandray an-tanana avy hatrany ny mpiandraikitra ao amin’ny Amadia sy ny Repdia. Nanohana koa ny Fondation Telma. Nisy tranoheva maromaro nanazava ny fifandraisan’ny toe-tena diabetika sy ny voka-dratsiny. Olona 2 500 no noheverina fa hotiliana nandritra ny tontolo andro, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Lions club Santatra, Rabemila Rafaralahisoa Irina. Nojerena koa ny olona manana olana amin’ny fahitana niaraka amin’ny LSFM.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.