Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Teqball: taranja vaovao ho an’ny Malagasy

Teqball: taranja vaovao ho an’ny Malagasy

Taranja tsy mbola fantatry ny Malagasy loatra ny Teqball, saingy efa misy eto Madagasikara. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena, ny asabotsy lasa teo, ny mombamomba azy, ity natrehin’ny filohan’ny komity olympika malagasy, Randrianasoloniaiko Siteny sy i Marius Vizer Junior, head of relation, eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena.

Fifangaroan’ny tenisy ambony latabatra sy ny baolina kitra ny Teqball. Raha tsorina izany dia baolina kitra lalaovina eny ambony latabatra. Ankizy 100 mianadahy teo no nisantatra ny filalaovana izany. Nanome ny pitsompitsony sy ireo teknika rehetra amin’ny fomba filalao Teqball, ireo teknisianina avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena. Marihina fa nanolotra latabatra roa, filalaovana izany Teqball izany, ny federasiona iraisam-pirenena, hampiasaina eto Madagasikara. «Noho ny fitiavan’ny ankizy ny baolina kitra, ny Teqball dia taranja hanome fahafinaretana, ho an’ireo tanora. Ho an’izao fanombohana izao, ny fitiavana aloha, mba hampiroboroboana azy, avy eo vao manangana ny federasiona», hoy Randrianasoloniaiko Siteny.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.