Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

One minute junior tany Amsterdam: nahazo loka Razanamalala Christella

One minute junior tany Amsterdam: nahazo loka Razanamalala Christella

Anisan’ny voasokajy ho mendrika ary tafiditra amin’ny horonantsary telo niavaka ka nahazo loka ilay novokarin-dRazanamalala Christella, Malagasy 16 taona avy any Taolagnaro. « Fanaka malemy » ny lohatenin’ny horonantsary novolavolainy, mitantara ny zavatra iainan’ny ankizivavy any amin’ny faritra atsimo voaterin’ny fianakaviana hiroso amin’ny fanambadiana nefa tsy ampy taona akory. « Faly aho satria henon’izao tontolo izao ny antsoko momba ny zava-misy mianjady amin’ny ankizivavy. Fandresena  ho an’ny ankizivavy malagasy rehetra  izany», hoy i Christella teo am-pandraisana ny loka azony tany Amsterdam, ny faran’ny herinandro lasa teo, nandritra ny fifaninanana One minute junior taona 2018.

Ankoatra ny taratasy fanamarihana ny fandreseny, nahazo fitaovana fakana horonantsary  ahazoany manohy ny famokarana horonantsary ny tenany avy amin’ny tontolon’ny famokarana horonantsarimihetsika holandey. Notolorana loka koa  i Cheung avy any Hong kong sy Adil avy ao Pays Bas. Nisy loka manokana natolotra ho an’ny tanora mpitsoa-ponenana iranianina, i Reza sy i Mohamed tamin’ny horonantsarimihetsika « My dream » sy « Smile ». Telo ny horonantsary malagasy niady ny fandresena tao anatin’ny fifaninanana famaranana tany an-toerana. 500 ny horonantsary nosafidianan’ny mpitsara.

Nialoha ny fifaninanana, nofanin’ny Unicef tany Taolagnaro momba ny famokarana horonantsarimihetsika fohy ireo tanora ahafany mizara ny zavatra iainany amin’ny andavanandro. Tao anatin’ny festival international du film documentaire d’Amsterdam (IDFA) no nandefasana ny sanganasa tafakatra tamin’ny famaranana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.