Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: mitahy ny rehetra ny rariny rehefa mitahy ny fanjakan’ny rariny ny rafitra iainana

«Tànan’Andriamanitra» hoy i Maradona, ilay kalaza lahy nohon’ny fahaizany milalao baolina, raha tosi- tànana mazava izao fa tsy tazan’ny mpitsara no fomba nahafatesany baolina. Tsy toy izany angamba ny antony nahavotra ny Barea ekipam-pirenena izay navahan’ny FIFA teo amin’ny didy noraisiny ho fanamelohana ny Federasiona Malagasy nohon’ny adilahy niseho sy famitapitahana nifamaly tsy nahafahana nanatanteraka ara-potoana ny fifidianana an’izay ho tompon’andraikitra ny fitantanana. Fantatra fa tsy maintsy handray fepetra sazin’izany fanaovana tsirambina izany ny FIFA, samy feno ahiahy avokoa ny rehetra sao sanatria votsitra hatramin’ny vokatra azo ny Barea izay tafita teo amin’ny ambaratongan’ny fanintsanana ka afaka ikatroka eo amin’ny sehatra famaranana ny CAN 2019. Karazana ozona raha izany no niseho, voalohany izao no tonga amina sehatra famaranana faninanana iraisam-pirenena baolina kitra i Madagasikara. Afaka nofafan’ny FIFA izany fahombiazana izany. Toy ny misy amin’ny fitsarana rehetra manana safidy ny mpitsara momban’ny fampiharana sazy araky ny fitsipika, ao ny faran’izay enjana ao ny malefadefaka.

Afaka heverina fa tsy tongatonga ho azy ny fanavahana ny Barea ivelan’ny sazy mihatra amin’ny Federasiona ka na tsy asiana mivantana avy amin’ny Tànan’Andriamanitra aza dia nohon’ny fiangavina rariny nataon’olona avara-pàtana eo ankilan’ny fahefana tompon’ny fanapahana. Tsy lavitry ny fahefana mahefa nitsara ny tsy fahampin’ny Federasiona Malagasy fahendrena eo ampanefana ny andraikiny ny Filohan’ny CAF, afaka heverina fa tsy niraviravy tanàna nanoloanan’ny fiitatry ny raharaha ny tenany, ka na tsy nanana anjara-na mpisolo vava aza hiaro ny tontolon’ny baolina malagasy dia angamba nandady rariny mangingina mba tsy hampitondra takaitra an’io tontolo manontolo io izay tazana ny fihariny eo amin’ny vokatra asehony. Mba ahafahana misitraka ny rariny tombony ny fananana mpisolo vava akaikin’ny mpanapaka. Fandadizana ho fahazona rariny no voalaza fa tsy fanaovana andranoandrano sanatria izay eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny raharaha-pirenena mifanipaka amin’izany, ny fanomezana tombon-dàlana ny tapaka sy namana dia eloka bevava fomba fampanjakana ny tsy rariny. Maika moa izany raha mikasika ny fiarovana olon-dratsy nohon’ny fananam-pahefana. Ny mponina anie efa mahiratra ankehitriny tazan’ny maro ireo tsipitsipy ifanaovan’ny mpitondra sy ny mpiray tetika aminy, tsy fantatra hatraiza ny fetra izakany an’izany.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.