Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fotoam-piotazana letisia: 33 ireo orinasa lehibe mpanondrana any ivelany

Fotoam-piotazana letisia: 33 ireo orinasa lehibe mpanondrana any ivelany

Anio 19 novambra amin’ny 6 ora hariva no hisokatra ny fotoam-piotazana letisia. Efa tonga eto Toamasina ny minisitry ny Varotra sy fanjifana, Yvette Sylla, hanokatra izany miaraka amin’ireo solontenam-panjakana eto an-toerana. Mahatratra 33 izao ny orinasa lehibe mpanondrana mankany ivelany ka ny 31 amin’ireo eto Toamasina ; 1103 ireo mpanangom-bokatra nahafeno ny fepetra fisoratana anarana, nandoa hetra  sy patanty  ary ny saram- piantsonana teo amin’ny “guiche unique”,  lapan’ny faritra Atsinanana.

Vononona ireo mpanangom-bokatra sy mpandraharaha mpandefa any ivelany, efa hita miantsona eo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo sambo roa lehibe, Baltic Klipper sy Atlatic Klipper, samy hitondra letisia 7.800 “palettes” isanisany avy eto Madagasikara ho any Eropa,  hamidy 7 hatramin’ny 9 euros ny kilao. 5.000 ariary ny iray kesika milanja 5 kg hakan’ireo mpanangom-bokatra azy any amin’ny tantsaha mpamokatra.

Omaly, nasian’ny minisitry ny Varotra sy fanjifana fijerena akaiky ny toerana fandraisan’ireo vokatra an’ny SMMC eo amin’ny seranantsambo mialoha ny hampiakarana azy.

 

Sajo

Les commentaires sont fermées.