Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «Afrique 2018»: indroa resy ny MB2 All

Basikety – «Afrique 2018»: indroa resy ny MB2 All

Ratsy fiditra ny MB2 All, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, taranja basikety (CACC). Fihaonana, tanterahina any Maputo, renivohitr’i Mozambika. Faharesena indroa nisesy mantsy no azon’ny ekipa malagasy, teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “B”.

Lavon’ny First Bank, avy any Nizeria, tamin’ny isa, 74 no ho 40 ny ekipan’i Ndranto sy i Erick, teo amin’ny andro voalohany. Nanatombo teo amin’ny traikefa sy ny haben’ny vatana ny Nizerianina. Nitarika hatrany izy ireo, teo amin’ireo tapa-potoana efatra nilalaovana.

Tsy mbola afaka ihany koa ny MB2 All, teo amin’ny andro faharoa, notanterahina omaly, satria niondrika teo anatrehan’ny Institut national sécurité sociale (CNSS), avy any ammin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo, tamin’ny isa mazava, 71 no ho 51. Ry zareo Kongolezy, efa zatra fifaninanana iraisam-pirenena. Mila mandresy ny MB2 All, eo amin’ireo lalao roa farany, hatrehin’izy ireo. Hidona amin’ny Kenya Ports Authority, ny MB2 All, rahampitso ary hifanandrina amin’ny Lakers de Zimbabwe, eo amin’ny lalao farany, ny alarobia.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.