Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Badminton – «Mada jeune 2018»: nisongadina i Edino, mpilalaon’ny St Michel Itaosy

Badminton – «Mada jeune 2018»: nisongadina i Edino, mpilalaon’ny St Michel Itaosy

Notanterahina, omaly alahady, tetsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny asabotsy 17 sy omaly alahady 18 novambra, lasa teo ny fifaninanam-pirenena, sokaky zandriny (U9 ; U1 ; U13 . U15 ; U17), lahy sy vavy, taranja badminton.

Tsara ny vokatra tamin’ny ankapobeny, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny, taranja badminton. Niakatra ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ireo teknisianina. Tafita tany amin’ireo ankizy ny fiofanana, norantovin’ireo mpanazatra.

Anisan’ny nahitana izany, ny teo amin’ny U11 lehilahy, nifanandrinan’i Mahefa sy i Loane. Nifanenjehana hatramin’ny farany mantsy ny isa ary nifanakaiky hatrany, mandra-pahatapitry ny seta, nilalaovana. Torak’izany koa ny teo amin’ny U17 vehivavy, nihaonan’i Ariela sy i Malala, samy mpilalaon’ny Baobad ,  Nisaraka tamin’ny seta, 2 no ho 1, ny lalaon’izy mirahavavy. Na izany aza, nisongadina ny klioba SCI Itaosy sy ny VTTK Ivato ary ny Baobad. Izy ireo izay samy nandrombaka medaly volamena roa avy. Nahatratra, 33 mianadahy ireo mpilalao niatrika ity fifaninanana ity,  avy amin’ny klioba 6 dia ny  Sangasy, ny Baobad, ny Lycée St Michel Itaosy, ny SCI Itaosy, ny St Joseph Mahamasina, ary ny VTTK Ivato.

Dingana manaraka ho an’ny federasiona malagasin’ny badminton, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy «série A ; B ; C» sy ny an’ny «véteran». Fihaonana, hotanterahina ny 8 sy ny 9 desambra 2018. Fifaninanana, hitiliana ireo izay handrafitra mialoha ny ekipam-pirenena, eo amin’ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy 2019. Mandra-piandry izany, toy izao ireo voka-dalao.

 

Torcelin

 

Ireo voka-dalao rehetra :

 

-U9 vehivavy : Roy (SCI) – Rado (SCI) – (21 /17 ; 21/9)

-U11 vehivavy : Mégane (VTTK) – Nancy (SCI) – (21/17 ; 21/4)

-U11 lehilahy : Mahefa (SCI) – Loane (Sangasy) – (21/16 ; 26/24)

-U13 vehivavy : Alicia (Baobad) – Ny Harena (SCI) – (21/3 . 21/11)

-U15 lehilahy : Fidelis (VTTK) – Logane (Sangasy) – (21/15 . 21/15)

-U17 vehivavy : Ariela (Baobad) – Malala (Baobad) – (18/21 ; 23/21 ; 26/24)

-U17 lehilahy : Edino (St Michel Itaosy) – Fabio (Baobad) – (21/14 ; 21/16)

Les commentaires sont fermées.