Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alarobia: vehivavy iray hita faty teo akaikin’ny tetezana

Alarobia: vehivavy iray hita faty teo akaikin’ny tetezana

Vehivavy iray manodidina ny 51 taona no hita faty teny akaikin’ny tetezana Tsarasaotra Alarobia, omaly vao maraina. Nitsirara teo amin’ny lalana, nanao akanjo mihaja, izy io . Tsy nisy nahafantatra teny amin’ny manodidina anefa izy. Niantso ny polisy ny fokonolona ary tonga teny an-toerana izy ireo nanao ny fizahana ny razana.

Araka ny fanazavana azo, vehivavy tsy salama saina izy io, ary nitsoaka tany Antsirabe. Nalain’ny havany mipetraka eny Alarobia eny izy. Nihetsika tampoka ny aretiny ary nirifatra ka tsy hita intsony taorian’izay. Omaly maraina no hita ny razana, ary nahitana diana biriky ny lohany ka io no nitarika ny fahafatesany. Tsy fantatra na iza na iza namono azy.

Tanàna milamina ihany anefa ny eny Tsarasaotra Alarobia ka tsy misy loatra ny vonoan’olona. “Toy ny faritra rehetra ihany, misy tokoa ny fanendahana sns, fa ny famonoana, tahaka izao, aloha tsy misy loatra”, hoy ny mponina.

Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny polisy momba azy ity. Efa nalefa eny amin’ny HJRA ny razana natao fizahana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.