Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy tokony hiandry ny ora farany: efa mandray fangatahana diplaoma ny Ofisin’ny bakalorea

Tsy tokony hiandry ny ora farany: efa mandray fangatahana diplaoma ny Ofisin’ny bakalorea

35 511 ny isan’ny mpiadina nahazo mari-pahaizana bakalorea, tamin’ity taona ity. Amin’izao fotoana izao, tokony ho efa samy nahazo ny naotiny avokoa ny mpiadina afaka. Ho an’ny mpiadina nanolo-tena, nalefa tamin’ny paositra ny naoty fa ho an’ny sekoly kosa, betsaka ireo nangataka ny haka izany an-tanana ka any an-tsekoly ihany indray ny mpiadina ny mandray ny naoty. Ireo toeram-pampianarana tsy nanao fangatahana manokana kosa, nalefa paositra ny naotin’ny mpiadina ao aminy. Efa betsaka ireo tonga eny amin’ny Ofisin’ny bakalorea manao ny « certification » ho an’ny naoty izay takina ao amin’ny antontan-taratasy hidirana amin’ny sekoly ambony rehetra.

« Raha vao mahazo ny naoty ny mpiadina manana mari-pahaizana bakalorea, afaka mangataka ny diplaoma ihany koa », hoy ny mpiandraikitra voalohan’ny Ofisian’ny bakalorea, Rakotoarison Olivier, omaly teny Ankatso. Tsy tokony hiandry ela satria mety maharitra herinandro hatramin’ny iray volana ny fahazoana taratasy misy ny diplaoma izay tsy maintsy soniavin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo. Indraindray, mamita iraka any ivelany izy ka miandry ny fiverenany ny fanaovana ny sonia. Mila hamarinina koa ny anarana sy ny daty nahaterahana ao anatin’ny naoty hitondrana fanitsiana avy hatrany mialoha ny hangatahana ny taratasy misy ny diplaoma. 20 000 Ar ny saran’ny diplaoma aloa eny amin’ny banky BNI, ampiarahina amin’ny naoty efa vita « certification » sy ny dika mitovy amin’ny kara-panondrom-pirenena na koa kopia nahaterahana ho an’ny mpiadina tsy mbola ampy taona. Ireo zavatra telo ireo no aterina eny amin’ny Ofisin’ny bakalorea eny Ankatso.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.