Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: hidona ny JSTA sy ny Cosfa

Rugby – «Gold Top 20»: hidona ny JSTA sy ny Cosfa

Miato ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Gold Top 20», amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsy hisy lalao, araka izany, eny amin’ny kianja Andohatapenaka. Efa tapitra avokoa ny fifanintsanana isam-bondrona ary efa fantatra ireo ekipa mbola manohy fifaninanana.

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana ireo ekipa sisa tafita, ny alahady 25 novambra ho avy izao. Anisan’ny fihaonana goavana indrindra ary hiendrika famaranana kely ny fifandonana eo amin’ny JSTA Ambondrona sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany ary tsy vao izao akory no hidona fa faninefany amin’izao, tao anatin’ity taom-pilalaovana 2018 ity. Hatreto aloha, tsy mbola tafavoaka tamin-dry zareo Bebaoty mihitsy ny Ambondrona.

Na izany aza, ekipa samy manana ny fahaiza-manaony izy ireo. Manana mpilalao tanora sy mailaka ny Ambondrona. Etsy ankilany, efa voky traikefa tanteraka kosa ry zareo mandrafitra ny Cosfa.

Adin’ny samy ekipa kartie kosa ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny SCB Besarety. Heverin’ny rehetra fa mety hanantombo ny Manjakaray noho ny fahazaran’izy ireo lalao goavana. Hiezaka hanohitra kosa Besarety, izay fileovana nahavita dingana tsy nampoizina, tamin’ity.

 

Tompondaka

Ireo fandaharan-dalao rehetra : 

 

USA Ankadifotsy # FTA Andavamamba

TFA Anatihazo # XV Fa Ampasika

Cosfa # JSTA Ambondrona

FTM Manjakaray # SCB Besarety

UIRC # VTMA Antsalovana

3F5 Amboditsiry # STM (Savony)

Asa Ambohimanarina # 3FB (Fahasalamana)

XV Avenir # US Ikopa

Les commentaires sont fermées.