Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Milaza ho mahatafiditra olona hiasa an-tsambo: vehivavy iray tratra nisandoka ho mpiasan’ny APMF

Milaza ho mahatafiditra olona hiasa an-tsambo: vehivavy iray tratra nisandoka ho mpiasan’ny APMF

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Analakely teny amin’ny faritra 67 ha, ny alatsinainy 12 novambra 2018 lasa teo, noho ny fisolokiana fa hoe mahatafiditra olona hiasa an-tsambo ny vehivavy iray 45 taona…

Nanomboka ny volana oktobra lasa teo, nisy lehilahy sy vehivavy iray milaza ho mahavita mampiditra olona hiasa an-tsambo mandritra ny fotoana maharitra ary mampanantena karama be amin’ireo olona tafaresaka tamin’izy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa maro ireo resy lahatra rehefa nampisehoan’ireto mpisoloky ireto taratasy hosoka avy amin’ny APMF na antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy. Hatramin’ny volana oktobra teo, dimy ny olona nakan’izy ireo vola mitentina 5 tapitrisa Ar isan’olona. Io vola io, araka ny nolazain’izy ireo, entina hikarakarana ny antontan-taratasy sy atao saran-dalana. Raha ny nifanarahana, ny alahady 11 novambra 2018 ireo olona ireo no hanainga, saingy nanjavona tamin’io fotoana io indrindra ireo mpisoloky. Hatreto, 20 olona fantatra fa voasolokiny ka tonga nametraka fitoriana eny amin’ny polisy. Nitory azy ireo koa ny APMF. Natao ny fikarohana sy ny vela-pandrika ka tratra teny 67 ha, ny alatsinainy teo, raha mbola nikasa haka vola tamin’ny iray amin’ireto olona efa voasolokiny ireto izy ireo. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy ary nilaza fa mpanatanteraka ihany izy fa ilay lehilahy miaraka aminy kosa no atidoha nikotrika izao fisolokiana izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.