Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Marc Tatandraza: miandry ny fitsarana azy any Ambovombe

Marc Tatandraza: miandry ny fitsarana azy any Ambovombe

Nentina any Bekily avy hatrany i Tatandraza, taorian’ny fisamborana azy tany Mahajanga afakomaly hariva. Fandikan-dalàna maro ny anenjehana azy io tamin’ny faritra maromaro eto amin’ny Nosy ka nisiana fitorian’olona maro azy. Anisan’izany ny fakana an-keriny zaza tsy ampy taona miisa 12, tany Mananara Avaratra sy Soanierana Ivongo, nentiny nankany Bekily.  Ireo no isany vesatra anenjehan’ny fitsarana azy ary namoahana “avis de recherche”. Nodiany tsy fantatra anefa ireo rehetra ireo fa nivoaka tany amin’ny fiafenany tany izy ary nankany Mahajanga. Nanararaotra ny raharaha politika? Nanao fandaharana tao amin’ny fahitalavitra  iray ary nikasa hamory olona indray. Nitontonan’ny zandary ny harivan’ny alakamisy 15 novambra ka noraisim-potsiny teo ny Apostoly. Ny hariva io ihany, efa niainga ny fiaran’ny zandary nitondra azy ho any Ambovombe Androy, toerana misy ny fitsarana izay mandray an-tanana ny raharaha. Marihina fa misy namany roa lahy efa voasambotra ary naiditra vonjimaika am-ponja any an-toerana.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.