Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manaitra ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo: misy maka ny tany hanorenana « chapelle » eny Ambatomaro

Manaitra ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo: misy maka ny tany hanorenana « chapelle » eny Ambatomaro

Nanao antso ho an’ny mpiandraikitra ny oniversiten’Antananarivo ny mpianatra eny amin’ny cité Ambatomaro fa misy naka indray ny tany tokony ho nanorenana “chapelle” ho an’ny Aumônerie protestante universitaire. Efa nangataka ny tany mirefy 22 m tsy mivadimandry amin’ny 10 m tsy mivadimandry eny anivon’ny mpiandraikitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny CrouA ny mpianatra. Azo avokoa ny fankatoavana ary vonona ny taratasy samihafa ahafahana manomboka ny fanorenana. Nosantarina ny volana aogositra teo ny ady fototra. Amin’izao fotoana izao, misy andian’olona mipetraka eo amin’ny manodidina ihany milaza fa tompon’ny tany, araka ny fanazavan’ny mpikambana ao amin’ny Aumonerie protestante sady mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, i Fanomezantsoa Rija. Nanao hetsika ho fanoherana izany fakana tany izany ny mpianatra monina eny amin’ny cité Ambatomaro. Ny mampalahelo azy ireo, misy tomponandraikitra ao amin’ny CrouA miaraka amin’ireo milaza ho tompon’ny tany nefa tokony hijery ny tombontsoan’ny mpianatra aloha ny CrouA. Hijanona ho fotodrafitrasan’ny oniversite sy ny mpianatra hifandimby hipetraka eny ny “chapelle”.

Misy ny dingana efa vita nitondrana ny olana teny anivon’ny fiadidiana ny oniversite ary nilaza ny tomponandraikitra fa hijery ifotony izany. Manahy ny mpianatra fa mitombo an-dalana ny fakana ampahan-tany tokony hanorenana “chapelle” ka manaitra ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.