Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra fiara: jiolahy iray nidoboka am-ponja

Halatra fiara: jiolahy iray nidoboka am-ponja

Nidoboka vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny jiolahy iray tratra nangalatra fiara teny Ambohimangakely, ny alakamisy maraina teo. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, namàna ny moteran’ilay fiara Clio iray ny tompony ka nivoaka ny fiara hijery ny fatran’ny menaka sy ny rano ao amin’ilay motera alohan’ny handehanany. Tamin’izay indrindra anefa no nanararaotra niditra antsokosoko teo amin’ny toeran’ny mpamily ity jiolahy ity. Takon’ny “capot” ilay tompon’ny fiara kanefa tsikariny ihany ny nidiran’ilay jiolahy tao anaty fiarany. Niantso vonjy ilay tompon’ny fiara ka nifanojo tamin’ny fandalovan’ireo zandary mbola teo am-panaovana fisafoana amin’ny alina. Nandositra niala ny fiara ilay jiolahy, raikitra ny fifanenjehana nifanampian’ny zandary sy ny andrimasom-pokonolona. Nitohy hatreny Ambatomaro izany, toerana nahatrarana ity mpangalatra ity. Nandritra ny famotoran’ny zandary no nahafantarana fa saika haka io fiara Clio io izay nolazainy fa hamidiny indray avy eo rehefa azony izy. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ka izao niafara amin’ny fidirany am-ponja izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.