Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fizahantany: miantso ny Sinoa ny eto Madagasikara

Fizahantany: miantso ny Sinoa ny eto Madagasikara

Miantso ny Sinoa mpizahatany ny minisitry ny Fizahantany eto amintsika, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, hitsidika an’i Madagasikara. Vitsy loatra ny mpizahatany vahiny tonga eto an-terana, 250 000 isan-taona monja, noho ny antony maro samihafa. Rehefa nifampiresaka tamin-dry zareo Sinoa ny minisitra, vonona ry zareo ho avy aty Madagasikara, hampitombo izany isa izany avo roa heny ary hampitomboina isan-taona.

Fepetra takin-dry zareo Sinoa ny mba tsy hanaovana antsojay azy ireo rehefa tonga aty Madagasikara. “Matetika, avadika zavatra hafa ny fahitana Sinoa tonga any aminareo na tsy ampitoviana amin’ny mpizahatany vahiny hafa”, raha ny feo avy any Sina.  Maro anisa izao ny Sinoa tonga aty Afrika, ny 12 % amin’ireo mpizahatany sinoa izao ny misafidy an’i Afrika, nampidi-bola 215 miliara dolara be izao, manantombo 40 % amin’ny ataon’ny Eoropeanina. Tsy mahita anjara amin’izany ny eto Madagasikara nefa manana ny mahaliana.

Ankoatra ireo tany arabo, mahasarika azy ireo izao ny any Cote d’Ivoire, ny any Kenya. Tsy latsa-danja ny misy any amin’ireo firenena ireo anefa ny hita eto amintsika.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.