Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fimpima: tontosa ny « Tafasiry »…

Fimpima: tontosa ny « Tafasiry »…

Notontosaina, omaly teny amin’ny lapan’ny Akademia malagasy Tsimbazaza, ny « Tafasiry » nokarakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany). « Azo lazaina fa fahombiazana iny hetsika iny », hoy i Hanitra Andriamboavonjy, filohan’ny birao foibe Fimpima maneran-tany satria navitrika tanteraka ireo mpandray anjara. Nahaliana ireo tonga teny an-toerana ny valakevitra tsirairay.

Anisan’ny goavana ihany koa ny fanomezana sehatra ny mpikaroka hahatonga azy ireny hanohy izay asa fikarohana izay, raha ny fanazavan’i Hanitra Andriamboavonjy hatrany. Nohazavainy fa «… Hatreto aloha, mbola ao anatin’ny fanamarihana vanim-potoana lehibe tahaka ity faha-55 taona niorenan’ny Fimpima ity no hanatontosana ny tahaka izao… Na izany aza, efa azo antoka fa hisy hatrany ny fanohizana ny « Tafasiry » ».

Marihina fa anisan’ny fandaharam-potoana lehibe teny an-toerana ny fanolorana ireo mpikambana ao min’ny birao foibe hitondra ny Fimpima ao anatin’ny efatra taona indray.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.