Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona: jiolahy iray nidoboka eny Tsiafahy

Vonoan’olona: jiolahy iray nidoboka eny Tsiafahy

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay jiolahy tompon’antoka tamina raharaha vonoan’olona teny Soanierana, ny 1 novambra 2018. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava, sakelika voalohany, ny 12 novambra 2018 teo teny Soanierana, noho ny resaka vonoan’olona ity jiolahy ity. Nisy olona nampilaza teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava, ny 2 novambra 2018, fa nisy olona maty notsindromin’olon-tsy fantatra tamin’ny antsy ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA. Nanao fizahana ny razana teny an-toerana ny polisy hanokafana ny fanadihadiana. Nomarihin’ny polisy fa telo ireo olona niharan’ity tsatoka antsy ity raha maty tsy tra-drano ny iray ary mbola azo notsaboina teny amin’ny hopitaly HJRA kosa ny roa hafa. Raha ny angom-baovao azon’ny polisy, disadisa tao anatina trano fisotroana iray eny Soanierana no nahatonga izao famonoan’olona izao. Natao ny fikarohana ka nanokafana sy nanaovana fanadihadiana tamin’ity raharaha ity ny olona dimy mianadahy.  Fantatra tamin’izany ilay jiolahy tena tompon’antoka amin’ity vonoan’olona ity. Nosamborin’ny polisin’ny BC izy ary izao niafara tamin’ny famonjana azy eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.