Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vokatra ovy: tsy ampy 50 000 t isan-taona ny tinady eto an-toerana

    Vokatra ovy: tsy ampy 50 000 t isan-taona ny tinady eto an-toerana

    Nanomboka namboly ovy ny Malagasy ny fiandohan’ny taona 1900, amin’ny faritra afovoan-tany sy avo. Malaza, hatramin’izao, ny faritra Vakinankaratra sy Itasy. Ankehitriny, efa saika mamboly azy io ny faritra maro, noho ny filan’ny tsena. Manana anjara toerana lehibe ny fambolena ovy eto amin’ny Nosy, tsy mifankaiza amin’ny voly vary, raha aty amin’ny faritra afovoan-tany ; aorian’ny mangahazo sy vomanga raha any morontsiraka.

    Manodidina ny 200 000 t isan-taona ny miakatra, mbola tsy maharaka ny tinady eto an-toerana, tsy ampy 50 000 t isan-taona, araka ny fahitan’ny Bamex/USAID azy. Raha nanaovana fanadihadana, ohatra, ny faritra Itasy, 7 500 ha eo ny velaran-tany voavoly ovy ; afaka mamokatra intelo ao anatin’ny taona iray. Kely ihany izany raha jerena ny fidadasiky ny velaran-tany, nefa miankina amin’ny hoenti-manana ny hahazoana manitatra izany. Betsaka ihany koa anefa ny fomba fambolena tsy miova.

    Sady sakafo no varotra ny voly ovy. Anisan’ny lalam-pihariana iray matanjaka mampidi-bola  ho an’ireo mamboly azy. Mifandray amin’izay koa ny asan’ny mpanangom-bokatra, ny mpitatitra sy ny mpaninjara. Tena manana anjara toerana lehibe ireo mpanangom-bokatra,  toy ny amin’ny vokatra hafa. Ny faharatsian-dalana, ny olana apetrak’ireo mpanangona ireo hatrany izany raha vao miady varotra ny tantsaha. Akaiky ihany anefa ny tsena lehibe eto an-dRenivohitra, Anosibe, mandray hatrany amin’ny 70 % ny vokatra miakatra.

    Tratran’ny aretina

    Tratran’ny aretina ny ovy tato anatin’ny dimy farany. Olana iray lehibe tsy voafehin’ny tantsaha, mety noho ny fiovan’ny toetr’andro, fa antony iray mahatonga izany ny fampiasana zezika simika.

    7 000 t, raha be indrindra (karazana Spunta), ny aondrana ao Nosy Maurice, saingy efa anjakan’i Afrika Atsimo hatramin’ny ela ny tsena any amin’io Nosy io sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mila miezaka i Madagasikara fa azo atao tsara ny mifaninana, raha manana fahavononana sy mandray andraikitra tandrify azy ny rehetra. Laharana 85 amina firenena 153 i Madagasikara eo amin’ny famokarana ovy. Ny taona 2002 no nisy vokatra be indrindra : 296 050 t.

     

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.