Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manomboka mipoitra tsikelikely ny porofo: nomena ny kandidà hafa ny vaton-dRajoelina

Misy ketrika sy paikady maloto any ambadika any. Hita amin’ireo fitanana an-tsoratra (PV) eo an-tanan’ny kandidà Rajoelina fa nakisaka na nomena ny kandidà hafa ny ampaham-bato azony tany amin’ny faritra samihafa. Ampahany amin’izany ny nahazoan’ny kandidà sasany vato betsaka manomboka amin’ny 2 na 3 na 5% mihitsy aza any amin’ny birao fandatsaham-bato (BV) sasany. Tsy mahagaga raha mihena sy midina hatrany ny isam-bato azon’ny kandidà, mpanorina ny IEM, hatramin’ny namoahan’ny Ceni voka-pifidianana. Ohatra iray ao anatin’izany ny BV ao amin’ny kaominina Fianarantsoa. 43 313 ireo nandatsa-bato tamin’ny BV iray. 2 796 ireo vato maty sy tsy manan-kery. 40 517 ny vato manan-kery tena marina nefa hita amin’ny PV fa 42 033 izany. Izany hoe, misy vato 1 516, nozaraina amin’ny kandidà hafa. Very hatrany amin’ny 4,65% izany ny vaton’ny kandidà Rajoelina. Ampahany ihany amin’ny voka-pifidianana voahodinkodina io. Marobe ny toerana, tahaka izany, ary tokony hahazoan’ny kandidà Rajoelina vato sy hahatrarany ny maherin’ny 51%. Tsy mazava izany hatreto hoe taiza sy oviana ary tamin’ny fomba ahoana ny nanaovana izany hosoka sy fanodinkodinana voka-pifidianana, miainga amin’ny PV eny anivon’ny SRMV, izany.

Randria

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.