Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: mitaky fanadihadiana ireo filohan’ny ligy i Bezamy Roméo

Kitra: mitaky fanadihadiana ireo filohan’ny ligy i Bezamy Roméo

Taorian’ny tsy fahavitan’ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, nanambara i Bezamy Roméo, anisan’ireo kandidà, fa manaiky ary midera ny fanapahan-kevitry ny Fifa nampiato ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona (FMF). Na izany aza, mametraka ahiahy izy amin’ny olona manendry ireo ho ao anatin’ny «Comité de normalisation». Araka izany, manao antso ity farany mba tsy ho maika ny mpitantana azy ity fa tokony hojerena tsara aloha ny zavatra tsy nety sy nampikorontana ny fifidianana natao tany Sambava, farany teo, tsy hiverenan’izany intsony. Manoloana izany, manolotra soso-kevitra i Bezamy Roméo ny amin’ny tokony hanaovan’ity komity ity fanadihadiana lalina ireo filohan’ny ligy 14, voalaza fa napetraka any Antalaha, sy ireo fito ambiny, tsy tonga tany an-toerana. Nomarihiny fa volan’ny FMF avokoa ny nampiasaina tamin’ny famandrihana ny hotely, nipetrahana sy ny tapakilam-piaramanidina tokony ho nitondra azy ireo ka rariny loatra raha hahazo ny valiny sy ny anton’izany ny federasiona, amin’ny alalan’ity komity ity. Nilaza izy fa mbola vonona ny hifaninana amin’ny fifidianana ho avy eo izay notsiahiviny fa izy irery, amin’ireo kandidà sivy ireo, no hany mpilalao baolina sy tena niaina teny ambony kianja ary mahafantatra tsara ny marary sy ny zavatra tena ilain’ny mpilalao. Ankoatra izay, manana tetikasa mifandraika amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra izy, izay nomarihiny fa hotohizany raha sanatria ka tsy lany izy. “Tsy manda fiaraha-miasa aho raha misy ny ilàna ahy”, hoy izy.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.