Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« International documentary film festival »: efa any Amsterdam i Tsikivy sy Razanamalala

« International documentary film festival »: efa any Amsterdam i Tsikivy sy Razanamalala

Manana solontena tanora roa: Razanamalala Christella, 16 taona, sy i Maka Tsikivy, 23 taona, i Madagasikara amin’ny hetsika « One minute junior awards ». Famokarana horonantsary fohy tontosain’ny ankizy na tanora mirakitra ny zavatra iainany andavanandro na koa ny nofinofiny ny “One minute junior awards” ahafahany mitondra ny feony. 15 ny isan’ny hiatrika ny famaranana any Amsterdam, nanomboka ny 14 novambra lasa teo ary hifarana rahampitso.  Efa any an-toerana izy mianadahy ary miandry ny vokatry famaranana. Manohana ny fanatanterahana ny fifaninanana sy manao tantsoroka ho an’ny ankizy vonona handray anjara ny Unicef. Nampivoitra ny fiainan’ny ankizy any amin’ny faritra atsimo ny votoatin’ny horonantsary novokarin’izy mianadahy. Nahasarika ny mpitsara manokana ny sanganasan’i Tsikivy, nomeny ny lohateny « Raha izaho no filoham-pirenena ». Alefa ao anatin’ny hetsika “International documentary film festival IDFA” ireo horonantsary 15 hiatrika ny famaranana ary hisongadina izay mendrika ka ho voasokajy ho voalohany. Telo ny sokajin’ny loka hozaraina amin’izany. Olona efa matihanina amin’ny tontolon’ny sarimihetsika Gover Meitn Larissa Koekkoek… no hitsara ireo sanganasa rehetra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.