Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsipahana voka-pifidianana: nipoitra indray ireo mpikarama an’ady politika…

Endrika tsy zovina amin’ny maro sy fantatra tamin’ny nataony. Mba anisan’ireo nitarika andiana olona teny amin’ny Ceni indray, omaly, ireo mpanao politika, mpikarama an’ady vitsivitsy. Anisan’ny nitarika izany Andrianirina Max Fabien sy Rakotomalala Henri, fantatry ny maro amin’ny hoe “Riribe”. Ny avy amin’ny HFI sy ny HVM. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hanafoanana mihitsy ny fifidianana. Ny hanadiovana sy hanokafana ny lisi-pifidianana. Kandidà nailiky ny HCC, tsy afaka nirotsaka sy nisavika ny hetsiky ny depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny sasany amin’izy ireo. Noraisin’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, izy ireo na izany aza. “Nitondra taratasy teto aminay izy ireo naneho fitakiana. Arakaraka ny fahefanay ny ahafahanay manatanteraka izany na tsia. Hatolotra ny tompon’andraikitra manandrify izany kosa raha tsy fahefanay sy tsy mifanaraka amin’ny lalàna”, hoy izy.

Te ho hita indray sy mba miteny ireto mpanao politika ireto satria maneho hevitra avokoa ny rehetra ?

Randria 

Les commentaires sont fermées.