Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanohanana kandidà: mametraka fepetra ireo parlemantera

Fanohanana kandidà: mametraka fepetra ireo parlemantera

Efa mijery lavitra kokoa. Nanao fanambarana fohy nefa tsotra ireo depiote sy loholona. Anisan’ny navoitran’izy ireo ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

Efa mijery taratra ny hasiana ny tongotra. « Hanohana kandidà izahay ireto amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mametraka fepetra anefa ho an’ireo kandidà ireo vao handray fanapahan-kevitra amin’ny fanohanana izahay », hoy ny mpitondra teny, ny depiote Andrianarivo Hary, omaly teny Tsimbazaza. Anisan’ny fepetra napetrak’izy ireo ny maha kandidà vonona hitantana ny firenena amim-pahatokiana an’Andriamanitra Andriananahary. Vonona hiaro ny firenena malagasy sy ny soatoavina ka tsy hanaiky ny mifanohitra amin’izany. « Ohatra ny fanekena ny fivadian’ny mitovy taovam-pananahana… Kandidà vonona hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Hitandro sy hametraka ny fampihavanam-pirenena”, hoy ihany izy. Manampy ireo ny fitandroana tahaka ny anakandriamaso ny firaisankinam-pirenena ary resy lahatra hamerina ny lalàna ho fenitry ny fitantanan-draharaham-panjakana. “Anisan’izany ny fanjakana tan-dalàna. Hijery ny olana eny ifotony maharary ny vahoaka. Ny fandriampahalemana, ny sakafo, ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fampianarana…”, hoy ihany izy ireo. Mbola hanao fanambarana ny kandidà hotohanany ka mahafeno ireo fepetra ireo ary azo antoka hitondra ny firenena, araka ireo voalaza ireo, ireto parlemantera ireto.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.