Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dihy ankehitriny: nosantarina ny « Voambolana »

Dihy ankehitriny: nosantarina ny « Voambolana »

Iray amin’ireo “festival” efa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana isan-taon’ny mpanaraka ity karazan-javakanto iray ity ny “Voambolana”. Tsy diso anjara ny amin’ity taona ity satria nosantarina, omaly, ny andiany fahefatra. Toy ny mahazatra, tontosaina eny amin’ny fokontany Manjaka Ilafy ny hetsika, karakarain’ny kaompania Dihyarivelo.

Fotoana iray hanatevenana ny fahaiza-manao sy ireo teknika fototra amin’ny soradihy ny “Voambolana”. Araka izany, misy ny fotoana hatokana ho an’ny fiofanana ka marobe ny matihanina, avy eto an-toerana sy ny vahiny, hasaina hizara ny traikefany amin’ireo tanora manatrika izany. Sehatra iray hampirisihina ny olona hifanerasera amin’ny zavakanto sy haneho ny talentany amin’ny dihy ihany koa io.

Aorian’ny fiofanana, misy hatrany ny fanehoana ny zava-baovao norantovina. Araka izany, misy ny fampisehoana, sady fanehoana talenta no entina mampiala voly sy maneho zavatra miavaka amin’ny mahazatra amin’ny mponina eny Manjaka Ilafy. Tsy seho sy fiofanana ihany ny “Voambolana” fa ao koa ny fanehoan-kevitra malalaka.

Marihina fa efa ambolana maromaro ny nanomanana ity “festival” ity, tamin’ny alalan’ny atrikasa, nanofanana sahady ireo tanora te handray anjara amin’izany. Tsy hifarana kosa ny “Voambolana” raha tsy ny 17 novambra.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.