Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA-CDA: nahazo jiro ny Cité Andranoambo

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny talata teo, ireo fitaovana manazava ny tanàna na «plaque solaire », fitaovana manome jiro avy amin’ny masoandro, tetikasan’ny fikambanana Ezaka, ao amin’ny Cité Andranoambo, fokontany Andohatapenaka III, boriborintany voalohany, kaominina Antananarivo Renivohitra.

Miisa 13 ireo fikambanana eny anivon’ireo fokontany niasan’ny Centre de développement d’Andohatapenaka (CDA) tonga nisoratra anarana. Ny 11 amin’izy ireo ihany no nanolotra ny tetikasany ary telo kosa ireo nahazo loka.

Nandrombaka ny laharana faharoa tamin’ity fifaninanana ity ny fikambanana Ezaka. Nahazo famatsiam-bola nitentina 5 tapitrisa Ar ho fanatanterahana ny tetikasan’izy ireo: ny fanazavana ny tanànany amin’ny alalan’ny jiro avy amin’ny masoandro.

Marihina fa niaina tao anaty haizina tanteraka ity cité ity tao anatin’ny 10 taona niorenany. Lasa nanjakan’ny tsy fandriampahalemana ka nahatonga ny fikambanana Ezaka nanatontosa izao tetikasa izao niaraka amin’ny CUA.

Araka ny nambaran’ireo mponina eny an-toerana, faly izy ireo satria efa volana maromaro ny nisitrahan’ireto farany ny fahazavana. Namolavola ny tetikasa ny CDA sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fampiroboroboana ny fitondrana tsara tantana eny ifotony amin’ny alalan’ny fampandraisana andraikitra ny tsirairay izany.

Nanombohana ny tetikasa ny elakela-trano amin’ny alalan’ny fametrahana “projecteurs à 27” manodidina ny tanàna.

Tatiana A

 

 

Les commentaires sont fermées.