Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Barea – Fifanintsanana “Can 2019”: mitohy hatrany ny fanazarantena

Barea – Fifanintsanana “Can 2019”: mitohy hatrany ny fanazarantena

Roa andro sisa andrasana, hiakatra an-kianja manoloana ny ekipan’i Soudan ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Mitohy ary mihamafy hatrany ny fanazarantena ho an’ireo mpilalao ireto. Niditra tamin’ny andro faharoa amin’ny fanazarantena, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Marihina fa efa tonga avokoa ny mpilalao mpila ravinahitra rehetra. Hita ho efa mahay miara-milalao ireo mpila ravinahitra sy ny mpilalao avy eto an-toerana ka nizotra tsara ny fanazarantena niarahan’izy ireo. Tanjona ny hibata fandresena na efa mazava aza ny lalana, raha ny nambaran’ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Na efa nandohalika tamin’ny isa 3 no ho 1 ihany koa aza ny Sodaney tao an-taniny tamin’ny lalao mandroso ka nanokatra ny lalana mankany amin’ny “Can” ho an’ny Barea, mbola mila hampitomboana hatrany ny isa.

Mahavelom-panantenana ny nahita an-dry Jérémy Morel sy ny namany nilalao teny ambony kianja, omaly, araka ny fitantaran’ireo mpanotrona tonga teny Mahamasina. Efa hita taratra sahady ny mety ho fahombiazana ho azo, raha ny nambaran’ireo mpilalao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.