Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Avy any Ihosy: taksiborosy nahatrarana rongony efatra gony

Avy any Ihosy: taksiborosy nahatrarana rongony efatra gony

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny alarobia teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny mpamilin’ilay taksiborosy nitondra rongony efatra gony niainga avy any Ihosy…

Taksiborosy mampitohy an’Ihosy sy Antananarivo ity tratra nitondra rongony ity. Nahazo loharanom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina etsy Anosy fa misy taksiborosy iray avy any Ihosy mitondra rongony. Nanao fanadihadiana sy nametraka vela-pandrika rehetra izy ireo ka ny talata 13 novambra 2018 tamin’ny 8 ora maraina, hita nijanona teny 67 ha ilay fiara Sprinter. Niroso tamin’ny fisavana ilay fiara avy hatrany ny polisy ka hita tao anatiny ireo rongony milanja 56 kg mitsinjara ao anatina gony miisa efatra, nafenina tao ambany seza na “soute”. Voasambotra ny mpamilin’ilay taksiborosy, lehilahy 46 taona. Nilaza izy, nandritra ny fanadihadian’ny polisy, fa avy any Ihosy ireo rongony ireo ary haterina aty Antananarivo. Nilaza ilay mpamily fa 80 000 Ar ny saran-dalan’ny gony iray amin’ireto rongony tratra ireto ka aty Antananarivo vao raisina izany. Nilaza ihany koa izy fa vao sambany nanao izao asa fitaterana zava-mahadomelina izao. Nanondro ny tompon’ireto rongony ireto izy, nandritra ny famotorana azy, saingy efa tafaporitsaka ilay tompony. Natolotra ny fitsarana avy hatrany izy taorian’ny famotorana ka izao naiditra vonjimaika am-ponja izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.