Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianan’ny Ceni misafotofo: hitory eny amin’ny HCC ireo mpomba ny kandidà Rajoelina

Voka-pifidianan’ny Ceni misafotofo: hitory eny amin’ny HCC ireo mpomba ny kandidà Rajoelina

Tapa-kevitra tanteraka. Hiroso amin’ny dingana manaraka ny mpomba ny kandidà Rajoelina noho ny fahitana fa misafotofoto ny voka-pifidianana eo anivon’ny Ceni.

Tsy hipetra-potsiny amin’izao intsony fa hitory eny amin’ny HCC.  Nambaran’izy ireo tetsy amin’ny Arena, omaly hariva fa tena tsy mandeha amin’ny laoniny ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny momba ny vato azon’ny kandidà Rajoelina. Tao ny nihena 5 na 3 na iray isan-jato amin’ny faritra sasany, tsy araka ny fitantanana an-tsoratra eo amin’izy ireo. Tsy vitan’izany koa fa misy ireo kandidà nahazo vato any amin’ny faritra tsy nandehanany akory. Noraisin’izy ireo ohatra tamin’izany ny kandidà laharana voalohany. Tsy nisy peta-drindrina na afisy momba ireny kandidà ireny nefa nahazo vato betsaka any amin’ny toerana lavitra any. Anisan’ny niharan’izany koa ny kandidà nitondra helikoptera tahaka an-dry Mahafaly Solonandrasana.

Ankoatra izany, tsy mazava amin’izy ireo ny momba ny fampiasana ny « logiciel » eo anivon’ny Ceni. Tsy nisy tolobidy momba izany. Misy fikirakirana ny voka-pifidianana amin’ny fomba tsy mazava amin’ireo fitaovana informatika eny Alarobia ka tsy azon’izy ireo antoka izany.

Tsiahivina fa efa niala teny amin’ny Ceni, afakomaly ny solontenan’ny kandidà Rajoelina ary izao hiroso amin’ny fametrahana fitoriana izao izy ireo.

Randria

Les commentaires sont fermées.