Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaomisera Andrianirinarivelo Yves: “Tsy mbola miova ny fangatahana pasipaoro…”

Kaomisera Andrianirinarivelo Yves: “Tsy mbola miova ny fangatahana pasipaoro…”

“Tsy mbola niova ny torolalana fangatahana sy fanaovana pasipaoro malagasy eto anivon’ny polisim-pirenena…”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fanaraha-maso ny fivezivezena mivoaka sy miditra ny tanin’ny firenena malagasy, ny commissaire divisionnaire de police, Andrianirinarivelo Yves Rémi.

Nanao fampahatsiahivana ho an’ny besinimaro tao amin’ny birao fiasany eny Anosy, omaly, ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity momba ny torolalana sy izay rehetra mety ho fantatra amin’ny fangatahana sy fanaovana pasipaoro malagasy. Nambarany tamin’izany fa tsy mbola niova ny torolalana fangatahana sy fanaovana pasipaoro malagasy eo anivon’ny polisim-pirenena. Nohamafisiny koa fa tsy misy afaka mamoaka izany afa-tsy ny sampandraharaha manokana miandraikitra izany eo anivon’ny polisim-pirenena ihany. Misy ireo antontan-taratasy tsy maintsy fenoina, araka ny voarakitr’izany torolalana izany. Takina ihany koa ny fahatongavan’ilay olona hangataka pasipaoro mba hahafahana mandray ny momba ny ara-batany : halavana, lavotondro, lokon’ny maso. Nanamafy hatrany ny talen’ny fanaraha-maso ny fivezivezena mivoaka sy miditra ny tanin’ny firenena malagasy fa lainga sy fitaka avokoa ny fanambarana fa misy fahafahana manao pasipaoro malagasy ivelan’io torolalana voalaza etsy ambony io. “Raha misy fanazavana fanampiny tianao ho azo dia afaka manatona ny sampandraharaha misahana ny faharaha-maso ny fivezivezena mivoaka sy miditra ny tanin’ny firenena malagasy etsy Anosy ny tsirairay avy”, hoy izy namarana ny fanazavany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.