Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fotoam-piotazana letisia: ho tonga tsy ho ela ao Toamasina ireo sambo roa lehibe

Fotoam-piotazana letisia: ho tonga tsy ho ela ao Toamasina ireo sambo roa lehibe

Ny 19 novambra ho avy izao no hisokatra ny fotoam-piotazana letisia ho an’ny faritra Atsinanana. Efa nanomboka ny 11 novambra ho an’ny faritra Vatovavy Fitovinany ; anio 15 novambra ho an’ny distrikan’Ifanadiana sy Ikongo, toerana avo anatin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ihany.

Tsy nasiana fiovana firy ny atontan-tataratasy ilaina sy ny vola hefain’ireo mpanangom-bokatra sy ny mpitatitra amin’ity taona ity fa mitovy tamin’ny taona lasa ihany ho an’ny faritra Atsinanana. 150.000 ariary ny patanty ho an’ny mpanangom-bokatra ; 40.000 ariary ho an’ny orinasa sy ny fikambanana ; 20.000 ariary ho an’ny olona manokana.

Ho tonga ao Toamasina, ny 18 novambra, ny sambo roa lehibe : Baltic Klipper sy Atlantic Klipper, samy mahazaka 7.800 “palettes” avy. Ao koa ireo orinasa manao ny fanondranana amin’ny alalan’ny fiaramanidina na ilay antsoina hoe “primeur”.

Nisokatra ny 13 novambra teo ny “guichet unique” ho fanamorana ny fanamboarana ny atontan-taratasy, ny fandoavan-ketra sy ny haba maro samihafa ilaina amin’ny fanangom-bokatra sy fitaterana letisia. Manamafy io fandoavan-ketra sy fanana karatara maha mpanangom-bokatra io ny Faritra Vatovavy Fitovinany, handoavana ny tamberim-bidy amin’ny kaominina. Miantso ny mpanangom-bokatra ny faritra satria tsara ny vokatra, afa-tsy ny ao amin’ny kaominina sasany anatin’ny distrikan’i Manakara, ravan’ny rambondanitra, herinandro lasa izay.

Ny vokatra avy ao Afrika Atsimo, mpifaninana amintsika, efa tonga any Eoropa amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 9 euros ny kilao any Belzika sy Frantsa ; ireo vokatra eto Madagasikara aondrana amin’ny alalan’ny fiaramanidina, mety ho 7 euros eo ny kilao.

 

Sajo

Les commentaires sont fermées.