Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fianarantsoa: mpanao gazety maty notafihan’ny jiolahy

Fianarantsoa: mpanao gazety maty notafihan’ny jiolahy

Notafihin-jiolahy nirongo basy tao an-tranony ny mpanao gazety iray, antsoina hoe Fidèles Jules, miasa ao amin’ny radio Mampita FM-94, tany Ambatovory Fianarantsoa, ny alin’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Maty tsy tra-drano tamin’izany ilay mpanao gazety . Voalaza fa niezaka niaro ny ankohonany izy nandritra ny fanafihan’ireo jiolahy. Notifirin’ireo avy hatrany ary maty vokatr’izany ilay mpanao gazety. Lasa ireo olon-dratsy taorian’izay.

Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nanao ny fanadihadiana sy nanao ny fanarahan-dia, saingy tsy tratra intsony ireo.

Fidèles Jules, sady mpanentana fandaharana momba ny tontolo iainana no mpanao gazety manam-pahaizana manokana momba izany. Samy mametra-panontaniana ny rehetra raha asan-jiolahy tsotra ity nahazo azy ity, na vonoan’olona niniana natao. Naneho hevitra ny rehetra fa toy ny maneho fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety izao, indrindra amin’izao raharaha politika mafampana izao. Mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ny Fidèles Jules ny gazety Taratra.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.