Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanehoan-kevitry ny depiote: “Tokony hahay haka lesona…”

Fanehoan-kevitry ny depiote: “Tokony hahay haka lesona…”

“Tokony hojerena ny lesoka sy ny olana fa mety hiteraka korontana, ny tahaka izao, amin’ny manaraka. Hiatrika fifidianana depiote isika aoriana ao…  Ekena fa azo atao ny manao hetsika, saingy aleo hiandry ny voka-pifidianana isika”, hoy ny solombavambahoaka, Andriatsizehena Benja Urbain na i “Bebin”, omaly teny Tsimbazaza.  Niaiky ny tenany fa mety samy mbola mafana fo amin’ny fanohanana ny kandidàny ny tsirairay nefa tokony ho tony ny rehetra. “Efa hita fa mitarika izao ireo kandidà roa, saingy tsy mbola fantatra ny ho tohiny ka aleo hilamina isika na betsaka aza ny lesoka”, hoy ihany izy. Notanisainy tamin’izany fa maherin’ny 500 ireo mpifidy nitaraina tonga tany an-tranony  satria tsy afaka nifidy fa tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana. Teo koa ireo nitondra ny kara-pifidianana miisa  20 efa an’ny olona maty. “Mampalahelo fa noverezin-jo ny olona”, hoy ihany izy.

Nirava maina fa tsy ampy ny biletà tokana…

Tahaka izany koa ny tany amin’ny  distrikan’i Tsihombe. Nanana  kara-pifidianana, saingy tsy hita ny birao fandatsaham-bato (BV) tokony nifidianany. Nampihena ny fientanam-po sy ny fahavitrihana izany, araka ny nambaran’ny depiote  voafidy any an-toerana, i Masy Goulamaly. Lesoka lehibe hitany koa ny tsy fahampian’ny biletà tokana tao amin’ny BV iray any Tsihombe. “Maherin’ny 500 ireo mpifidy nefa biletà tokana miisa 175 ihany ny tao. Nirava maina ny mpifidy satria tsy nisy  nampiasaina intsony. Mino izahay fa mety tranga niseho tany an-kafa koa ny tahaka izany”, hoy ihany izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.