Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: vato sy hazo tsy misy taratasy tratra

Antsirabe: vato sy hazo tsy misy taratasy tratra

Vato nilanja 667 kg no saron’ny zandary tany Vakinankaratra, ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny sakana tao Anjazafotsy Betafo. Tsy nampoizina nandritra ny fisavana fa nafenina tao anaty sobika miisa dimy misy manga ny vato sarobidy tsy misy taratasy ara-dalàna. Nisy 84 ny isan’ireo vato tratra. Tsy nisy taratasy sy fahazoan-dalana no nitazonana azy sy ny tompony, izay sady tompon’ny fiara ihany koa. Natolotra ny tompon’andraikitry ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ireo vato ireo.

Mbola nahatratra hazo sarobidy voamboana niisa 16 ihany koa ny zandary teo amin’ny sakana tao Vinanikarena Antsirabe faharoa. Nentina kamiao ihany koa ireo ka nandritra ny fisavana mahazatra nahitana ireo hazo tsy ara-dalàna ireo. Nilaza ny Adjidà sefo Ratianarivo Barilala, kaomandin’ny BPR Antsirabe fa avy any Ambositra ireo hazo ireo. Efa notanana ao amin’ny zandary ireo hazo tratra, miandry izay milaza ho tompony satria entana nampitondraina ka saika ho tsenaina tany Antananarivo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.