Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antoko PLD, Rabeharisoa Saraha: « Aoka hilamina sy hanaja lalàna isika… »

Antoko PLD, Rabeharisoa Saraha: « Aoka hilamina sy hanaja lalàna isika… »

Nanao fanambarana, manoloana izao fivoahan’ny voka-pifidianana izao ny filoha nasionalin’ny antoko PLD, Rabeharisoa Saraha, omaly. “Mbola mamerina ny antso avo hatrany mba hilamina isika rehetra. Aoka isika hanaiky ny valim-pifidianana. Aoka koa hitoetra ao anatin’ny fanajana ny lalàna mba hisian’ny filaminana, ary hahafahantsika mampandroso marina ny firenena”, hoy izy, tao amin’ny tambajotra sosialy. Notsiahiviny fa vita iny ny adidintsika amin’ny fandehanana mifidy. Nankasitrahany ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny PLD manerana ny Nosy. « Tena nampiseho fahavitrihana, finiavana, ary fifanomezan-tanana lehibe tao anatin’ny fandraisan’anjarantsika tamin’ny fampielezan-kevitra isika”, hoy ihany izy. Nisaorany koa ny mpikambana rehetra ao amin’ny antokony tamin’ny fanohanana ny fanapahan-kevitra politika noraisina, amin’ny fanohanana ny kandidà Rajoelina. « Maherin’ny 50% ny vokatra navokan’ny Ceni ary mitarika amin’izany ny kandidà laharana faha-13. Miarahaba azy sahady amin’izany, satria tsara ny tetikasany matoa maro be ny Malagasy nifidy azy. Hirariana ny hitohizan’izany mba hahazaona ny fandresena”, hoy ny avy amin’ny PLD.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.