Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy mahazo mivoaka amin’i Madagasikara: nilatsaka ny IST ho an’i Mbola Rajaonah  

Tsy mahazo mivoaka amin’i Madagasikara: nilatsaka ny IST ho an’i Mbola Rajaonah   

Nilatsaka, omaly ny taratasy avy amin’ny minisiteran’ny Atitany milaza ny fahazoan’i Mbola Rajaonah, izany IST izany, araka ny datin’ny 13 novambra 2018. Nomena toromarika avokoa ny rantsa-mangaikan’ny minisitera misahana ny eny anivon’ny lafintany sy ny eo anivon’ny fiadidiana ny polisim-pirenena hampihatra izany ka tsy hamela malalaka an’i Mbola Rajaonah hivoaka any ivelany aloha mandra-pisian’ny toromarika vaovao.

Tsiahivina fa anisan’ny olona akaiky ny fitondrana Rajaonarimampianina ity mpandraharaha ity.

Voatonontonona ho mpanohana ara-bola an-dRavalomanana

Tsy azo ihodivirana izany fa anisan’ny mety ho ao ambadik’izao fanakanana azy izao tsy hivoaka any ivelany ny kandidà laharana faha-12 sy ny filoham-panjakana, Rakotovao Rivo. Eo rahateo ny fanahiana fa nanao hosoka teny anivon’ny fadin-tseranana i Mbola Rajaonah. Fa eo amin’ny fifandraisan’izany eo amin’ny lafiny politika indray, anisan’ny voatonontonona ho mpanohana ara-bola ny kandidà Ravalomanana rehefa nisintaka tsy niara-dia amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny tenany. Mety tsy levon’ny vavonin’ny HVM izany fifindrana lasy izany ka izao nitadiavana hevitra sy paikady izao, any amin’ny resaka vola eny amin’ny fadin-tseranana ?

Hampizarazara ny ekipan’ny Tim

Mety hampizarazara ny eo anivon’ny Tim koa anefa ny fisian’ity mpandraharaha lasa olona akaiky ny kandidà laharana faha-25 ity. Mety hahavoailika ny mpikambana sasany sy ny ekipa mpiara-dia eny Faravohitra izany. Tsy ho azoazon’ny hafa raha hahazo avara-patana akaikin’i “Dada” raha mitaha amin’ny hafa ? Hisy fiantraikany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny fihodinana faharoa, manoloana ireo mpifidy sy mpanohana an-dRavalomanana ?

Araka izany, andrasana ny ho tohin’izao raharaha amin’ny resaka hosoka eny anivon’ny ladoany izao.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.