Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitry ny Atitany: “Azo enjehina ireo mihoa-pefy”

Minisitry ny Atitany: “Azo enjehina ireo mihoa-pefy”

« Tany misy lalàna ny eto ka azo enjehina ireo mihoa-pefy… Aoka hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana eny anivon’ny Ceni  sy ny HCC isika. Tokony hahay haka tahaka ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny mpanao politika”, hoy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo. Nohitsiny fa mbola anatin’ny vanim-potoan’ny fifidianana isika izao ka tsy tokony handairan’ny tsaho etsy sy eroa. “Faniriako ny hanajana ny vahoaka manontolo ary aoka tsy horebirebena ny saim-bahoaka naneho ny safidiny am-pahendrena sy fitoniana ary fihavanana tanteraka. Tsy sanatria isika mpanao politika indray ny hanao ny tsy mety, na tsy hanaja lalàna. Aoka  hajaina ny rafitra rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana…”, hoy ihany izy.

Nanao tohivakana ny antso avo avy amin’ny sehatra isan-tsokajiny,  ny amin’ny tokony hipetrahan’ny fitoniana amin’izao fiandrasana ny voka-pifidianana izao. Efa nanao izany ny CFM, ny HCDDED sy ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena…

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.