Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiragasy: hodimandry Rakotomalala

Hiragasy: hodimandry Rakotomalala

Tarika mpanao hiragasy maromaro no efa nisongadinan’ny talentany. Nodimandry teo amin’ny faha-78 taony Rakotomalala, mpikabary ao amin’ny tarika Ranarison Andohavary, raha ny vaovao nampitain’i Dadafara Lt Production. Efa nirotsaka teo amin’ny sehatry ny hiragasy sahady raha mbola vao 12 taona monja. Nisongadina tanteraka tamin’ny fahaiza-mikabary izy. Hainy tsara ny misarika ny mpijery hifantoka amin’ny zavatra lazainy, hany ka satrin’ny olona hihaino hatrany. Anisan’ny manome lanja ny tarika nisy azy, izay fahaizany mikabary izay. « « Lebanga » no tena nahalalan’ny mpitia hiragasy azy », hoy i Dadafara.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian-dRakotomalala sy ny tontolon’ny hiragasy ny Gazety Taratra.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.