Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fanajan-tena sy fanajana ny vahoaka

Miparitaka ny siosion-dresaka milaza ny fahalasanan’ny fianakavian’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina niampita ranomasina. Asa ny fahamarinan’izany. Mety ho fampielezana tsaho fotsiny. Tsy dia mendrika sady tsy ilaina ny fanendrikendrehana toy izany. Atao ahaona moa ny fanosoram-potaka olona efa lavo an-tany mandrevo ?

Raha toa kosa ka tena mitombina ilay vaovao, dia tsara ihany ny fampahafantarana ny fihetsika tsy voadinika toy izany. Tsy mety na hoe fiovan-drivotra kely fotsiny aza. Mila fiovan-drivotra noho ny inona? Marina fa tsy dia lavitra avy etsy Iavoloha ny manketsy Tsimbazaza. Aza adino koa fa tany am-piandohana dia efa nazava ny fifanarahana no sady voasoratra mihitsy ao anaty Lalàmpanorenana, toerana ifandimbiasana ary dimy taona ny fe-potoana. Taman-dratsy ve ka manao alahelon-kanina? Na manadino ny lanjan’ny Lalàmpanorenana noho ny fahazarana manilikilika azy rehefa manelingelina ny tena any afara? Io ihany izy miverina tonga miandry eny amin’ny kihon-dàlana.

Mbola mazava koa anefa ny voalazany. Afaka mamerina indray mandeha izay sahy miatrika ny fitsaran’ny vahoaka ka hamerenan’ny maro an’isa ny fitokisany noho ny soa vita. Raha tsy izay veloma lava, fa ny haja sy tombontsoa miankina amin’ny andraikitra nosahanin’ny tena dia eo mandra-pahafaty. Ny tena na ny fianakavian’ny tena ve dia mila miala vonkina noho ny fiovan’ny fironga-piainana ? Aoka re, mba menatra ! Ireto vahoaka rendriky ny fahasahiranana anie tsy mitaky intsony izany fiovan-drivotra izany fa maniry fotsiny fanamaivanana ny fahasemporana noho ny fanakendana tafahoatra ataon’ny hetraketraky ny toe-piainana tsy hain’ny mpitondra nofehezina.

Mainka moa raha mahamenatra raha misy fikasana hiova lasy ka hikopaka ho any ivelany. Aiza ity filazana fitiavana an’i Gasikara sa atao fotsiny havana raha misy patsa ? Ahoana koa moa ny momba ny vatsy entina iainana any ? Tsy ingahy Hery no hilazana fa toy ny vola baoritra ny ariary izay mbola nihena sanda hatrany nandritra ny fe-potoana nitondrany. Sao kosa aza efa be no voahilika ?

Fantatra fa mareforefo ny vahoaka tsy manan-katao firy momba ny fanenjehana an’izay lany henatra ka mitsoaka matanjaka ahafahany misitraka any ivelany ny harena tsy mari-pototra. Mety hiova anefa ny fitsipika raha mihenjana ny mpandimby toerana ka mitaky ny famerenana eto an-tanindrazana ny mpitondra firenena izay nitsoaka sy nanondrana harena ahiana ho naloto ny fomba nahazoana azy.

Léo Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.