Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Badminton: mitombo traikefa ireo mpanazatra

Badminton: mitombo traikefa ireo mpanazatra

Nifarana ny 12 novambra lasa teo ny fampiofanana natolotr’i Annirao Djhadi, mpampiofana manam-pahaizana avy eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena taranja badminton, ho an’ireo mpanazatra malagasy, ambaratonga voalohany. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo, omaly, teny amin’ny “Hotel de l’avenue” Analakely. Mitombo hatrany ny fahaizan’ny mpanazatra malagasy, raha ny nambaran’nyfilohan’ny federasiona malagasy ny badminton, Ravalison Jean Aimé.Marihina fa miara-mifarimbona amin’ny federasiona amin’izao fampitomboana ny traikefan’ny mpanazatra izao, ny eo anivon’ny ministera sy ny Com (Comité Olympique de Madagascar).

6 mianadahy ireo nahavita ny fiofanana ny taona 2017 ka notolorana ny mari-pankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy. Tsara ny manamarika fa 8 mianadahy izy ireo no niatrika ny fiofanana, saingy 6 no afa-panadinana ka izao nahazo valin-kasasarana izao.

Mbola 8 mianadahy ihany koa ireo mpanazatra malagasy, ambaratonga voalohany, niatrika ny fifampizarana nomen’ity mpampiofana maorisiana ity aryeo am-piandrasana ny valin’ny fitsapana natao izy ireo, amin’izao fotoana izao.

Hita ho mihamivoatra ny haavo teknikan’ireo mpanazatra malagasy ary tsy tapaka mahazo fanasana amina lalao iraisam-pirenena izy ireo, raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny federasiona, Ravalison Jean Aimé. Anisan’izany ny fahazoan’ i Madagasikara ny alalana hiatrika fiofanana any Bélin, ny 28 novambra hatramin’ny 3 desambra izao izay hanaovan’ny Tale teknika nasionaly ny tatitra nandritra ity taom-pilalaovana 2018 ity ihany koa. Ankoatra izay, nahazo fanasana hiatrika ny fifampizarana traikefa eo amin’ny mpanazatra any Seychelles, i Madagasikara, ny 13 hatramin’ny 16 desambra izao. Ny kaonfederasiona afrikana ny badminton no nanome ity fanasana ity ka nangataka mpanazatra malagasy 1 sy mpikatroka 2 hisolotena an’i Madagasikara.

Mialoha ireo fiofanana iraisam-pirenena ireo, hofaranana amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly ny taom-pilalaovana 2018. Fifaninanana izay hotanterahina ny 17 sy 18 novambra ao amin’nyefitranokely ao Mahamasina.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.