Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosizato: saron’ny polisy ilay jiolahy raindahiny amin’ny halatra fiara

Anosizato: saron’ny polisy ilay jiolahy raindahiny amin’ny halatra fiara

Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava, sakelika fahatelo (BC 3) Anosy, ny 6 novambra 2018 lasa teo teny Anosizato, ny jiolahy iray 38 taona, raindahiny amin’ny halatra fiara. Araka ny fanazavan’ny polisy, tamin’io andro io teny Andravoahangy tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, fiara taxi 4L iray no nokendren’ity mpangalatra ity. Mitondra rano izy sady manakana fiara taxi no sady manao marary ary mody mandringa. Rehefa mandeha elaela anefa ny fiara dia irahany na asainy  mividy fanafody ilay mpamily. Rehefa mivoaka ny fiara noho izany ilay mpamily dia eo no hanararaotany mangalatra ilay fiara. Velominy avy hatrany ny fiara ka lasa mirifatra mitsoaka izy. Nony tafaverina ilay mpamily dia talanjona, tsy nahita ilay fiara taxi nentiny. Nanatona ny kaomisaria foibe eny Tsaralalana avy hatrany ilay mpamily nilaza ny zava-nanjo azy. Nandray ny andraikiny ny polisy ka raikitra ny fikarohana. Vokany, tratran’ny polisy mpandrindra ny fifamoivoizana teny Anosizato ilay fiara ora roa taorian’izay ary nentina teny amin’ny (BC 3) nanohizana ny fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa izy dia anisan’ny nangalatra ny ankamaroan’ireo fiara very teto an-dRenivohitra.

J.C

Les commentaires sont fermées.