Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vavatenina: taolam-paty 14kg hitan’ny fokonolona

Vavatenina: taolam-paty 14kg hitan’ny fokonolona

Hitan’ny fokonolona tao anaty ala ao Anjaha, fokontany Antoby, kaominina ambohivohitra sady distrikan’i Vavatenina, indray ny taolam-paty iray gony milanja 14 kg, ny zoma lasa teo. Nafenina tao anaty ala ireto taolam-paty marobe ireto, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary any an-toerana. Mitsinjara toy izao ireo taolam-paty marobe hita ireto: taolan-dava miisa 40 raha miisa 50 kosa ireo taolam-pohy. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny dokotera niaraka tamin’ny zandary nanao fanadihadiana momba ny fahitana ity taolam-paty ity. Tsy fantatra mazava ny toerana nakana ireto taolam-paty ireto satria tsy nandrenesana vaky fasana na fianakaviana very razana tany an-toerana, raha ny tatitra voaray hatrany. Ahina ho nafenin’ireo mpanao trafika kosa ireo taolana ireto ka niandry efa milamindamina izy ireo vao mikasa ny haka izany, saingy izao nisy nahita tampoka izao. Nalevin’ny kaominina ao amin’ny fasam-bahiny ao an-toerana ihany ireto taolana ireto taorian’ny fitsirihana nataon’ny dokotera. Faritra isan’ny matetika ahitana mpanao trafikana taolam-paty iny faritra iny sady lalana lalovan’izy ireo mitondra ny taolana ihany koa, raha ny loharanom-baovao voaray.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.