Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lakandranon’i Pangalana ankehitriny: 50 miliara ariary isan-taona ny fatiantoka noho ny fahasimbany

Lakandranon’i Pangalana ankehitriny: 50 miliara ariary isan-taona ny fatiantoka noho ny fahasimbany

Miantoka ny ain-dehibe ho fampandehanana ny toekarena any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy manontolo ny fisian’ny lakandranon’i Pangalana, mampifandray an’i Toamasina hatrany Manakara. Ampolo taona maro izao, zara raha nisy fanamboarana izany lakandrano  655 km izany tany am-boalohany.

Fotodrafitrasa napetraky ny Frantsay tamin’ny andron’ny fanjanahantany ny lakandranon’i Pangalana. Taorian’ny nahazoana Fahaleovantena hatramin’ny fiandohan’ny taona 80, nisongadina izany lakandrano lavabe izany eo amin’ny fitaterana an-dranomamy. Nandritra ny Repoblika faharoa ihany, nankinina tamin’ny Institut malgache d’innovation (IMI) ny fitantanana azy, ary nanomboka teo ny fahavoazana, nihasimba azy fa tsy nasiam-panamboarana.

Tombanan’ny mpahay toekarena iray nandalina iny faritra atsinanana iny fa matiantoka 50 miliara ariary isan-taona ny toekarena, noho tsy fisian’ny fitaterana ireo vokatra isan-karazany mampalaza ny faritra hatramin’izay, toy ny kafe, ny jirofo, ny akondro, ny poavra. Tany aloha, teo amin’ny lakandranon’i Pangalana ny fitaterana ireo vokatra ireo hatrany Toamasina.

Satria tsy nisy ny fikojakojana io fotodrafitrasa io, tototra ny lakandrano, lakana sisa izao no hita miasa, mitatitra olona sy izay entana kely, mampifandray ireo kaominina mifanakaiky any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Iantohan’ireo lakana ireo ny mpanjono sy mpanao asa tanana kely amin’ny fitateram-bokatra kely avy any aminy.

Manome lanja ny fizahantany

Mampiavaka ny lakandranon’i Panagalana, noho izy manome lanja ny fizahantany, avy amin’ireo zavaboahary sy biby isan-karazany, toy ny ravinala, ny varika, sns. Tsy lavitra ny ilany atsinanana, mahatazana torapasika sy ranomasina. Izany rehetra izany, tsy voakajin’ireo mpitondra nifandimby hatramin’izany ny lanjany eo amin’ny toekarena.

Nisy ihany ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana maraokanina sy ny fanjakana malagasy, nosoniavina ny 21 novambra 2016, ho fanarenana io lakandrano manan-tantara io. Ny fiandohan’ny taona 2017, natao ny fanadihadiana ny fomba hanarenana azy, ny fampifandraisana izany eo amin’ny tontolo iainana sy ny lafiny sosialy. Mbola tsy hita anefa ny fanombohan’ny asa ho fanatanterahana izany hatramin’izao.

Natomboka tamin’ny andron’ny jeneraly Gallieni ny asa, ny taona 1896. Nampiasa olona anjatony maro isan’andro ny vazaha tamin’izany, nandavaka ny lakandrano tamin’ny herin-tsandriny. Ankehitriny indray, amin’izao fisian’ny fitaovana goavana fanamboarana fotodrafitrasa izao, tsy hita izany any amin’iny faritra iny. Miandry ny rariny, raha ho tonga, ny mponina any an-toerana, tsy ho tombontsoan’izy ireo ihany fa ho an’ny firenena manontolo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.