Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bisikileta – « Tour de Mada  2018»: 10 hatrany ny dingana hifaninanana

Bisikileta – « Tour de Mada  2018»: 10 hatrany ny dingana hifaninanana

Hotanterahina, ny 8 hatramin’ny 16 desambra izao, ny andiany faha-15 amin’ny hazakazaka am-bisikileta “Tour de Mada 2018”, hatao any Mahajanga. Toy ny mahazatra, dingana folo hatrany hatrany ny hifaninanana, mitotaly 885 kilometatra. Hisantarana ny andro voalohany ny hazakazaka am-bisilkileta 90 km, manodidina an’i Mahajanga, mitohy any Ambondromamy sy any Maevatanàna avy eo, amin’ny dingana faharoa. Hatao ny 11 desambra kosa ny andro fahatelo, lalana mampitohy an’Andriba sy Ankazobe. Mitohy amin’ny lalana eo Tsiroanomandidy sy Analavory ary Alakamisy Fenoarivo indray ny dingana fahenina, rehefa avy misento kely ireo mpifaninana. Eto Antananarivo, eny Anosy kosa ny hamaranana ny fifaninanana, ny alahady, rehefa avy mandingana any Antsampanana mihazo an’i Moramanga, ny asabotsy 15 desambra.

Raha ny loharanom-baovao azo avy amin’ny federasiona malagasy ny hazakazaka am-bisikileta, maro ireo vahiny handray anjara amin’ny andiany faha-15 ity, hahitana ireo atleta avy any  La Réunion, avy any RD Congo, avy any Hollande, avy any Frantsa ary avy any Angola. Tsy ambaka izany anefa ny avy eto an-toerana, efa niomana fatratra tokoa hiatrika ity “Tour de Mada 2018” ity.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.