Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohijatovo: sprinter tapaka hisatra, ankizikely iray naratra

Ambohijatovo: sprinter tapaka hisatra, ankizikely iray naratra

Saika zava-doza! Fiara Sprinter iray no tapaka tampoka hisatra amin’ny fidinana amin’ny lalana eny Mandrosoa Ambohijatovo, omaly tolakandro. Nitondra entana tamina gony sy fonosana maromaro ilay fiara ka antony nahatonga ny loza ny vesatra diso tafahoatra teo amin’ilay fiara ka tsy voatanan’ny hisatra intsony raha iny nidina ny fidinana iny. Araka ny fanazavan’ny olona nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, nanomboka teny amin’ny fidinana amin’ny hotely iray lehibe eo ambony ny toerana nitrangan’ny loza no somary efa hafahafa ny fandehan’ilay fiara. Vokany, notrongisin’ilay fiara ny toeram-pivarotana iray eo akaikin’ny tohatohabato miakatra eny Faravohitra. Tsy mbola tafajanona ihany anefa ilay fiara fa nitrongy ny rindrim-bato mamefy ny tranon’olona amin’ny sisin-dalana ankavian-dalana raha hidina ho any Ambohijatovo vao tafajanona. Vokany, fiara maromaro tamin’ny sisin-dalana no voafaokan’ilay fiara Sprinter. Ankizikely iray avy nianatra no naratra voakasok’ilay fiara ka nentina haingana namonjy hopitaly. Nahitana fahasimbana ilay fiara. Zanahary tsy tia ratsy fa saika loza amin’antambo ny nitranga raha teny Ambohijatovo amin’ny toerana ifamezivezen’ny fiara marobe ny niseho ity loza ity. Nifanojo tamin’ny fotoana firavan’ny mpianatra rahateo ity loza ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.