Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AKFM: “Mba tsy ho voasinton’ny korontana isika”

“Manainga indray ny vahoaka mba tsy ho voasinton’ireo sokajin-kery sasany izay mihevitra hamboly korontana indray noho ny tsy fanekena izay ho valim-pifidianana ho avy eo ary hiaro ny fitoniana nisy hatramin’izao” , hoy ny fanambaran’ny birao politikan’ny AKFM, ny faran’ny herinandro teo amin’izao fanamarihany ny faha-60 taona niforonany, ny 10 novambra 1958 izao.

Amin’ny maha anisan’ny antoko ela niasana azy, mahatsiaro ho manana adidy izy amin’ny fiantsoana indray ny Malagasy : noho ny fahatsapantsika ireo olana iainantsika, ilaina hatrany ny firaisankinantsika. Anisan’ny ampinga lehibe hiarovana ny fiandrianam-pirenena izany, hirosoana amin’ny famahana ireo olana maro sy goavana ary ho fiarovana ny fizorana amin’ny fampandrosoana.

Hamafisiny fa ny firosoana amin’ny famahana haingana ireo olana maro sy lalina iainan’ny vahoaka no tanjona sy maika amin’ny fifidianana. Antsoiny ireo mpifaninana sy ny mpomba azy avy mba hampitony ny hambompo samihafa aloha ka hiaraka hisikim-ponitra ho fanarenana sy ny fanavotana ny vahoaka sy ny firenena.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.