Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianan’ny Ceni: mitarika hatrany Rajoelina, misoko mangina Rajaonarimampianina

Voka-pifidianan’ny Ceni: mitarika hatrany Rajoelina, misoko mangina Rajaonarimampianina

Mbola mitarika amin’ny isam-bato amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni, omaly tamin’ny 7 ora hariva, ny kandidà Rajoelina. Nahazo ny 40, 88% ny tenany tamin’io ora io. Manaraka aoriany, eo amin’ny laharana faharoa hatrany, ny kandidà Ravalomanana, 36%. Miakatra moramora hatrany kosa ny kandidà Rajaonarimampianina. Nahazo 6, 97% ny HVM. Mifanakaiky eo amin’ny laharana fahefatra kosa ny pasitera Mailhol sy i Dadafara ary Rafalimanana Ny Rado. Nibata ny 1, 38% sy 1, 08% ary 1, 07 izy ireo. Samy mbola 0% mahery avy kosa ny an’ny amiraly Ratsiraka sy Ratsiraka Roland. Tahaka izany koa ireo Praiminisitra telo: i Mahafaly Solonandrasana sy Ravelonarivo Jean ary i Beriziky Omer. Mitovy amin’izany koa ireo vehivavy kandidà, ahitana an-dRabeharisoa Sahara, i Bezaza Eliana, Ramaroson Arlette, Rasolovoahangy Emma, i Ernaivo Fanirisoa.

Tsiahivina fa nahazoana ireo vokatra ireo ny birao fandatsaham-bato (BV) miisa 7 444  amin’ny BV 24 852 manerana ny Nosy. Izany hoe, mbola ny 29% mahery ireo nahazoana voka-pifidianana ireo. Maherin’ny 52% kosa ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, hatreto.

Randria  

 

 

Kandidà Rajoelina                   620 611                   40.88%
Kandidà Ravalomanana                   546 615                        36%
Kandidà Rajaonarimampianina                   105 877                     6.97%
Kandidà Mailhol                      20 898                     1.38%
Kandidà Dadafara                      16 370                     1.08%
Kandidà Rafalimanana Ny Rado                      16 241                     1.07%

 

 

 

Les commentaires sont fermées.