Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tonga ny zandary, nitsoaka ireo jiolahy: votsotra ilay ankizivavikely nisy naka an-keriny

Tonga ny zandary, nitsoaka ireo jiolahy: votsotra ilay ankizivavikely nisy naka an-keriny

Votsotra teo am-pelatanan’ny jiolahy, ny zoma teo, i Rahima, ilay zazavavikely 11 taona teratany karana nisy naka an-keriny tao Manerinerina, ny alatsinainy 5 novambra 2018 lasa teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nalain’ny jiolahy miisa efatra an-keriny tao Manerinerina (24 km avaratr’Ambondromamy manaraka ny RN 6) i Rahima kely. Ny ampitson’io anefa, niantso ny fianakaviany ireo mpaka an-keriny ka nitaky 200 tapitrisa Ar ho takalon’ny ain’io zaza io. Tsy nampandre ny zandary anefa ny fianakaviany na teo aza izany fitakian’ireo jiolahy izany fa nanao fikarohana avy hatrany izy ireo rehefa nandre ny momba ity fakana an-keriny ity. Efa nahazo loharanom-baovao momba ity raharaha ity anefa ny zandary ka hita ny toerana fieren’ireto jiolahy ireto. Nalefa nanao savahao tamin’ny toerana mampiahiahy rehetra ireo zandary avy ao amin’ny kaompania Ambato Boeny, miadidy iny faritra iny. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahatsikaritra ny fahatongavan’ireo zandary ka votsotra ihany i Rahima.

J.C

Les commentaires sont fermées.