Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: ankizy 500 nizarana fitaovam-pianarana

Toamasina: ankizy 500 nizarana fitaovam-pianarana

Notolorana fitaovam-pianarana ireo ankizy 500 zanaky ny fianakaviana sahirana ao Toamasina. Niantohana kosa ny saram-pianaran’ireo ankizy 100 hafa ary ankizy 70 efa niala an-daharana no naverina indray an-tsekoy. Iantohan’ny fikambanana Fivoy izay ilaina
amin’ny fianaran’ ireo ankizy ireo. “Natao izao hitsinjovana ny ray aman-dreny sahirana ara-pivelomana kanefa te hampianatra ny zanany. Amin’ny maha solombavambahoaka, raisiko ho adidy ny fanampiana ny mpiara-belona”, hoy ny solombavambahoakan’ i Toamasina, ny dokotera Ndahimananjara Johanita.
Tonga tetsy amin’ny Hopitalikely ihany koa ity solombavambahoaka ity niaraka tamin’ireo delegasiona tarihiny ary nanolotra fitaovana fitiliana ao amin’ny laboratoaran’ny Hopitalikely etsy Tanambao. Mivelatra amin’ny sehatra maro ny asa soa ataon’ny solombavambahoaka Ndahimananjaray Johanita ao Toamasina. Efa nisy ny ezaka natao tamin’ny famorana faobe, fanaovana vaksiny, fitsaboana maimaimpoana, fizarana fitaovam-pianarana…

Sajo

Les commentaires sont fermées.