Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – “ITF U14”: tompondaka amin’ny olon-droa vehivavy ny Malagasy

Tenisy – “ITF U14”: tompondaka amin’ny olon-droa vehivavy ny Malagasy

Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, teo amin’ny sokajy vehivavy, nandritra ny fiadiana ny amboara afrikana, ITF, ho an’ny sokajin-taona 14 taona no ho midina, taranja tenisy. Lalao notontosaina tany Maorisy, nanomboka 7 novambra lasa teo. Tompondaka amin’ny sokajy olon-droa vehivavy Rasendra Miotisoa sy Rakotoarilala Randy, rehefa nifandona tamin’ny mpilalao egyptianina, i Shoukry Layla sy i Ragab Kenzi, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/4 1/6 10/3). Mpilalao anisan’ny kalaza izy roa vavy ireto, raha jerena ny lalana nodiaviny. Nandritra ny lalao nandraisany anjra mantsy, nisongadina hatrany izy ireo. Marihina fa nanao pao-droa i Miotisoa tamin’ity fifaninanana ity satria izy ihany koa no nibata ny amboara teo amin’ny sokajy olon-tokana, nandritra ity lalao tany Maorisy ity. Hatrany am-piandohana, efa nanana ny heriny izy ary nanamarika isa ambony nanoloana ny mpifanandrina taminy. Teo amin’ny ampahavalon-dalana, ohatra, tsy nitoko ilay teratany seychelloise, i Sharma Alisha, nanoloana an-dRasendra Miotisoa ka nolavoiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 6/0).

Ho an’ny sokajy lehilahy kosa indray, tsy tsara loatra ny vokatra raha oharina ny tamin’ny an’ny vehivavy. Raraka teo amin’ny lalao ampahefa-dalana ny solontena malagasy olon-droa, Rakotomalala Mahefa sy Rakotomalala Fenosoa, taorian’ny fifanandrinana tamin’i John Coetzee et Leo Matthysen (Afrika Atsimo) tamin’ny isa 6/1 5/7 7/10.

Mbola hitohy hatramin’ny rahampitso ny fifaninanana amin’ity fiadiana ny amboara afrikanina ITF U14 ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.